|
|
|
|

Entrée1  Ny Tanindrazako
Mots élémentaires  2  tany, 3  razana
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur 
Editions  1907/02/22.
Texte complet  7  Mba mamiko toy ny tantely
8  Izay tanindrazako izay,
9  Fa toa fonenan’anjely
10  Tsaroako mandrakizay
11  Mba reko fa misy ny tany
12  ‘zay tsara dia tsara tokoa
13  ny ahy tsy latsak’izany
14  fa tany mba be zava-tsoa.

15  Ny rivotra izay mba mitsoka,
16  Mampody ny aiko tokoa
17  Ny volana tsy mba misoka,
18  Iriko ho endriny koa.

19  Ny vorona raha mihira,
20  Manaitra ny saina sy fo
21  Ny hazony miantso : “midira”
22  Fa eto no mahafa-po.

23  Ny taolan’Idada malala,
24  Mitana ny aiko ho ao,
25  Ny saiko dia toy ny adala,
26  Tsy miala fa ao aminao.

27  Mitana hiorina mafy
28  Ny tenan’Ineny tsy foy,
29  Aleoko ho olo-mihafy
30  Fa izy tsy azo nafoy
31  Fonenan’ny olo-malala,
32  Fonenan-tsy tiana ho lao,
33  Ny tiana tsy manan-tsahala
34  Tsy hita tsy ao aminao.

35  Ny kintana tena mazava
36  Mazava malefaka koa
37  Ny volana no mampisava
38  Ny aizina tsy mahasoa.

39  Ry tany malalako loatra,
40  Ny foko dia manina anao,
41  Na lavitra aza hihoatra,
42  Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

43  Misento mahalana ihany
44  Ny foko raha lavitra anao
45  Ny hehiko zary tomany,
46  Ny tsiky tsy azo natao.

Mis à jour le 2025/10/11